minisiteran’ny Mponina : misokatra ho an’ireo tsy manan-kialofana

Nanatanteraka fivoriambe tetsy amin’ny Havoria Anosy ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly. Tanjona ny hahafahana miara-mandroso eo amin’ny sehatry ny asa. Teny an-toerana nitarika izany ny minisitra, Razafinjato Aurélie.

Miha mitombo ireo olona an-dalambe eto amin’ ny Nosy, indrindra ny eto Antananarivo, raha ny zava-misy. “Anisan’ny antony iray mampitombo izany ny fifindra-monin’ny olona avy ambanivohitra manketo an-drenivohitra”, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana. Mbola zakan’ny fianakaviany izy ireny amin’ny voalohany. Rehefa tsy mahita trano sy asa dia lasa mpatory an-dalambe avy eo. “Afaka manatona ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ireo olona tsy manan-kialofana ka mangetaheta ny hanovana ny fiainany”, hoy hatrany izy. Tanjona ny hamerenana ny hasin’ny maha olona, izay tafiditra ao anatin’ny vinan’asan’ny filoham-pirenena. Nambarany fa azo atao ny manova azy ireny amin’ny alalan’ny tosika omen’ny fitondra foibe sy ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina.
Ao anatin’ny fijerena ny olona hafindra toerana any Fieferamanga na eny Am­bohimiharina ity minisitera ity amin’izao. Anatin’ny fanatanterahana ny ankohonana mi­harina napetraky ny filohan’ny repoblika izany.

Zaza mirenireny, ray aman-dreny tsy mandray andraikitra
Ankoatra izay, miha mitombo ihany koa ny zaza mirenireny sy mangataka eto an-toerana. “Tsy mandray andraikitra ny ray aman-dreniny matoa ny ankizy mirenireny sy mangataka eny an-dalambe”, hoy hatrany ny minisitry ny Mponina. Misy adidin’ny fiarahamonina sy ny ray aman-dreny sy/na raiamandreny manoloana izany, mba hahafahana manaja ny zon’ny ankizy sy hamerenena ny hasin’ny maha olona izay. Manampy tosika ny ataon’ny fanjakana fa ny olona tsirairay avy no tokony hahatsapa ny andraikiny. Mba tsy ho lasa vesatry ny fiarahamonina ireny sokajin’olona ireny.

Mino

Partager sur: