Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny fokontany Tsiazompaniry, kaominina Sabotsy Namatoana, distrikan’Ambatolampy, afakomaly, ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Naivo Lava. Teo am-piomankomanana ny hangalatra omby sy hanafika fianakaviana hamadi-drazana tamin’io fotoana io izy no maty voatifitra. Nanao savahao ny tanàna ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Ambatolampy ny zana-tobim-paritra Behenjy. Nahitam-bokany izany satria tratra tao Antsingila Tsiazompaniry i Naivo Lava raha tafaporitsaka kosa ireo namany roa. Tao anatin’ny famotorana savaranonando no nahafantarana fa manana basy fampiasany rehefa manao fanafihana izy. Natao tao anaty kirihitr’ala ao an-tsenan’ny kamo fokontany Betlehema Sabotsy Namatoana ilay fitaovam-piadiana. Basy efa mifahana anefa ity nafeniny ity ka nikasa hanohitra ireo zandary niaraka taminy haka io basy io izy. Maty voatifitra i Naivo Lava. Azo ihany koa ilay basy niaraka tamin’ny bala telo.
J.C