Notanterahina, omaly, ny famindram-pahefana teo amin’ny PDS teo aloha amin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny CUA sy ny PDS vaovao, Ramanantsoa Herilala. Natsidiny tamin’izany ireo asa hosahaniny, manomboka eto.
Nambarany tamin’izany fa mitantana ny fampandehanan-draharaha eto Antananarivo Renivohitra ny tenany ary miatrika ny filan’ny mponina. “Anisan’ny asa miandry ny fako, ny fandriampahalemana sy ny tsena ary ny lalana”, hoy izy. Nanteriny ny fanamafisana orina ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana sy ny fanazavana ny tanàna. Hohatsaraina koa ny lafiny fifamoivoizana ka iarahana miasa amin’ny polisim-pirenena sy ny polisy monisipaly izany.
Niantsoany ireo manan-kevitra rehetra kosa ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ary ny fampandrosoana ny tanàna amin’ny fampiasana ny teknolojia momba ny fampitam-baovao sy ny fifandraisana.
Fandaharanasa fony izy kandidà
Etsy andaniny, naneho fahavononana hiara-kiasa amin’ireo tomponandraikitra am-perinasa ny PDS vaovao ary hanatsara ny kalitaon’ny fanaovan-draharaha ilain’ny vahoaka amin’ny ambaratonga rehetra. “Ho hentitra kosa anefa ny fanaraha-maso ny asa rehetra tanterahina”, hoy ihany izy. Niaiky ny tenany fa goavana ny andraikitra eo an-tsorony ka nampanantenany ny hanatanterahana izany am-panetren-tena. Manana adidy sy andraikitra amin’ity tanàna ity izy, araka ny nambarany ary fotoana izao afahany maneho ny fitiavany an’Antananarivo amin’ireo fandaharanasa efa nomaniny, fony izy kandidà ben’ny Tanàna.
Namaranany ny lahateniny ny fanohanany ireo rehetra manam-piniavana hampandroso sy hanatsara ny fiainan’ny mponina. “Tsy vitako irery ny fanasoavana ny Tanàna sy ny vahoakan’Antananarivo ka tsy anavahana firehana na inona na inona izany”, hoy izy.
Synèse R.