« Salon de l’Espa » : Tanjona ny hanampiana ireo mpianatra

Nanomboka, omaly, ary hifarana rahampitso etsy amin’ny Parvis Analakely ny “salon de l’Espa”, andiany faharoa. Hetsika natao hanampiana ireo ankizy malagasy maniry ny hianatra eny anivon’ity sekoly ambony ity. «Tanjona ny hisian’ny fifaneraserana eo amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny sekoly ary ny mpianatra mba hahafahana mijery ny zavatra azo tohanana arakaraka ny filan’ny mpianatra manoloana ny fikarohana ataon’izy ireo», hoy ny tale jeneralin’ny Espa, Pr Rakotoson Rija Lalaina. Manan-danja lehibe sy fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny mpianatra, indrindra ireo mpianatra misehatra eo amin’ny lalam-piofanana teknika tahaka izao. “Zava-dehibe, araka izany, ny hanohanana sy hiaraha-miasa amin’ireo mpianatra manoloana ireo asa fikarohana ataon’izy ireo”, hoy hatrany izy.

Mandray anjara ny minisiteran’ny Asa vaventy
Ahitana lalam-piofanana 16 eny anivon’ity sekoly ambony ity, izay hampirantiana eny an-toerana. Mandray anjara amin’izany koa ny minisiteran’ny Asa Vaventy, amin’ny alalan’ny Laboratoara nationalin’ny Asa vaventy sy ny Taotrano (LNTPB). Hampisehoana mandritra izany ireo asa sy voka-pikarohana nataon’ izy ireo. Tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ity sekoly ity ny hetsika.

Mino

Partager sur: