Tsipy kanetibe – «Masters 2024»: tsy manao «Final four» ny ekipa malagasy

Ratsy ny vokatra azon’ny ekipam-pirenena malagasy, tamin’ny “Masters 2024” taranja tsipy kanetibe. Resy in-telo teo amin’ny dingana fahatelo izy ireo. Vokany, tsy tafiditra ao anatin’ireo ekipa efatra hiatrika ny “Final Four”.

Tapitra teo amin’ny dingana fahatelo ny lalan’ny ekipam-pirenena ma­lagasy, eo amin’ny fiadiana ny “Masters 2024”, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-telo miaraka, sokajy lehilahy. Omaly, nandritra ny fanatontosana ny lalao tao Romans-sur-Isère, tojo faharesena in-telo misesy Ny Havana sy i Balloti ary i Hery (Monde). Tsy nisy resin-dry zalahy mihitsy ireo nifanandrina taminy. Araka izany, tsy nahazo isa ka mihintsana avy hatrany. Tsy tafiditra hiatrika ny dingana fahefatra hanatontosana ny “Final Four”, ry zalahy. Fihaonana, hatao ao Saintes-Maries-de-la-Mer, ny 8 sy 9 septambra 2024.
Raha tsiahivina ny voka-dalaon-dry zalahy, lavon’ny ekipan’i Rousseau, tamin’ny isa 13 no ho 4 teo amin’ny lalao voalohany. Rousseau nefa no gisitra, tsy manana afa-tsy isa 2 taorian’ny dingana roa voalohany. Noheverina fa hanarina ny fahavoazany ry Ny Havana, teo amin’ny fihaonana faharoa saingy nomon­tsanin’i Helfrick, tamin’ny isa mavesatra 13 no ho 0. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa toy ny nanaovan’ny mpifanandrina fanazarantena fotsiny. “Mène” 6 dia vita ny lalao. Tsy nifameno ny teknika sy ny taktika nentin-dry zalahy niady teny ambony kianja. Rehefa mety ny tifitra, tsy voafenon’ny “pointeur” izany. Raha tsara indray ny fakana isa, banga indray ny tifitra. Toy izany hatrany ny zava-nisy hatramin’ny fiafaran’ny fihaonana.
Ho an’ny lalao farany izay nisian’ny tsirim-panantenana kely saingy mbola niondrika teo anatrehan’ny France 2, tamin’ny isa 13 no ho 3. Nitarika 3 no ho 0 voalohany ny Malagasy ary nihevitra ny rehetra fa ho lasany io fihaonana io saingy tsy nihetsika tamin’io isa io intsony ry za­lahy.

Tompondaka

Partager sur: