Mandrakotra ny tambajotran-tserasera ireo minisitra sy ny sekreteram-panjakana amin’izao fotoana izao. Milomay mampiranty ny hetsika ataony avokoa. Tena mahavelombolo raha ny fisehosehoana tamin’ny herinandro voalohany. Tafiditra tsara amin’ny hafangainam-pandehan’ ny lamasinina TGV izy rehetra. Manodoka sy mitondra tsirim-pantenana izany ilay fomba fiasa.
Hirariana tsy hafana fo am-boalohany fotsiny na sanatrian’ny vava hamita-tena toy ny sasany nandalo teo. Nisy ny minisitra teo aloha, nahay nilalao ny serasera sy ny fahaiza-mivarotra fotsiny. Rehefa tombanana anefa dia poakaty. Ireny no poizina namitaka sy namadika tamin’ny fotoam-pitondrana voalohany.
Soa anefa, anisan’ny nampiavaka ity governemanta ity, ny nametrahan’ny filohan’ny Repoblika, olona tena nanohana azy. Ekena, nisy ny mpamadika palitao vitsivitsy tafiditra an-dapa saingy iza amin’ny nahazo seza no tsy hiezaka mba hitazomana izany? Irariana ny mba hitohizan’ilay tsy fikelezan’aina amin’ny asa. Tanjona rahateo ny hahazoam-bokatra azo tsapain-tanana mahakasika ny vahoaka mivantana.
Raha ny finiavan’ny filoham-pirenena aloha, dia efa tsy ho toy izao ity Madagasikara malalantsika ity. Ho toy ireo firenena afrikanina hafa efa tena mandroso angamba! Inona no harena tsy hita eto amin’ny tanàna? Ny indrokely, jamban’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola ny mpitondra nomem-pahefana sasany. Misy ny manao ampihimamba, sarotra an-kaniny tsy mba mizara.
Ny tiana hisintonana lakolosy anio, mila mahay maka lesona avokoa ny manam-pahefana. Mila mijoro sy sahy miala amin’ny fanao mahazatra. Tsy ho mahery am-boalohany fotsiny fa mba hanana fikirizana sy fitozoana amin’ny asa rehetra atao. Tsy maintsy manao izay tratry ny heriny hanatanterahana ny fianianana izay natao.
r.r