VAOVAO TAMBATRA

Volavolaina ny didim-panjakana mifehy ny vidin’ny herinaratra, ho an’ny mpisehatra amin’ny herinaratra. Mandray anjara amin’izany ny teknisian’ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny ORE, ny Jirama ary ny Ader. Manohana ny fanatanterahana azy ny Banky iraisam-pirenena miaraka amin’ny kabinetra matihanina.
Miisa 22 ny mpanjono any Farafangana
miofana mikasika ny Rafitra amin’ny loza manambana (SAP). Nampahafantarina azy ireo ny fomba fampiasana ny tabilao SAP, momba ny loza an-dranomasina mety hiseho. Eo koa ny fepetra tokony ho raisina hisorohana ny fahaverezan’ny fitaovam-panjonoana raha sendra andro ratsy tampoka.
Mitentina 340 tapitrisa dolara ny entana
novidian’i Ambatovy ny taona 2022. Mampidi-bola vahiny sy mitondra vokany tsara eo amin’ny harin-karena faobe ny indostria goavana. Misy ny tamberina eo amin’ny toekarena sy eny ifotony amin’ny fandraisana anjaran’ny sosialy sy ny tontolo iainana. Mihoatra ny 40% ny vola miditra amin’ny fanondranana avy aminy.
Mandany hatrany amin’ny 176,6 tapitrisa Dolara i Madagasikara tamin’ny fanafarana solika, nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2024. Mahavita mamokatra herinatra 7 800MW avy amin’ny hydroélectricité sy mahazo tara-pahazavanan’ny masoandro 2 800 ora isan-taona isika ka afaka mamokatra herinaratra 2 000MW avy amin’ny rivotra.

Partager sur: