Angovo azo havaozina : hizara traikefa ireo matihanina

Vahaolana iatrehana ny fahatapahan-jiro ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina. Hitondra ny anjara biriky, hizara maimaimpoana ny fahaiza-manaony ireo teknisiana, anio.

Hotanterahina eny amin’ ny LTP Alarobia, raham­pitso, ny varavarana misokatra hampahafantarana ny fampiofanana ho teknisianina matihanina amin’ny fampiasana fitaovam-pamoka­rana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hizara ny traikefany, eny an-toerana, ireo matihanina. Hisy ny horonan­tsary momba ny asa. Fotoana hahafahan’ny tanora mahalala bebe kokoa momba ny sehatra ny hetsika, toy ny natao tany amin’ny LTP Toliara. Araka izany, afaka miofana
ho teknisianina matihanina amin’ny fampiasana fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ny tanora, manomboka amin’ny 18 ka hatramin’ny 25 taona. Mari­hina fa efa nianatra momba ny elektronika hatramin’ny am­baratonga fahatelo no afaka manao izany. Afaka miditra an-tsehatra ihany koa ny ireo efa nianatra hatramin’ny ki­lasy famaranana siantifika, manana bakalorea na tsia. Manampy azy ireo izay ma­nana mari-pahaizana BEPC, miampy traikefa roa taona amin’ny fikirakirana herina­ratra.
Mamatsy vola ny hetsika ny governemanta Alemà amin’ ny alalan’ny tetikasa “Perer” an’ny Giz Madagaskar sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny mi­nisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Eo ihany koa ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo ary ny LTP Alarobia.

Henintsoa H.

Partager sur: