Hotontosaina, anio, any Ambositra sy Ambatondrazaka, ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, ho an’ny diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions.” Ho an’ny vondrona any Ambositra, lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Jet Kintana Itasy sy ny AS Ste Anne avy eto Analamanga. Raha tsiahivina ny andro fahatelo, nahita fahombiazana ny AS Ste Anne, rehefa nandresy ny AS Comato, 7 no ho 3. Raha toa ka lavon’ny Avenir du Sud, 2 no ho 1 ny ekipan’Itasy. Araka ny fikarohana natao, manana isa efatra avy moa ireto klioba roa hifanandrina ireto. Tsara marihina fa raha resy eto ny tompondakan’Analamanga, tapitra hatreo ny nofinofin’izy ireo hiakatra any amin’ny dingana fahatelo na ny «Poule des AS».
Tsara ny mampahatsiahy fa amin’ity fifanintsanana ity ireo klioba roa isam-bondrona ihany no manao ny “Poule des AS” izay hatao toy ny lalao mandroso sy miverina. Araka ny vaovao voaray, raha tsy misy ny fiovana farany, hatao any Mahajanga ny dingana faran’ity “World Cola Ligue des Champions” ity.
Fitia Randria