Tontosa omaly, teny amin’ ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny atrikasa sy fifampizarana, natokana ho an’ireo matihanina eo amin’ny dihy, niarahana tamin’i Kezia Jonah, Malagasy matihanina eo amin’ ny tontolon’ny dihy. Tonga maro nihanoka izany ireo Malagasy matihanina, nandray ny traikefa sy nifampizara fahaiza-manao tamin’i Kezia Jonah. Tafiditra ao anatin’ny “Festival Temps Fort Danse” andiany faharoa iny hetsika iny. Ankoatra ny tanjona ankapoben’ ny hetsika, tanjona koa ny atrikasa natokana ho an’ny matihanina sy ny hitadiavana fanatsarana hatrany ho an’ny dihy eto Madagasikara. Malagasy mpandihy miangaly dihy marolafy i Kezia Jonah. Nahazo marim-pahaizana manokana momba izany tao amin’ny Ecole des Sables, sekoly iraisam-pirenena momba ny dihy tranainy, ao Senegal izy. Fiofanana mahakasika ny dihy maro samihafa ihany koa no natrehiny, ankoatra izay. Soradihy anisan’ny tena nahafantarana azy ny “Beloved, oui ou non”. Ity soradihy ity izay efa nandray anjara tamina hetsika iraisam-pirenena isan-karazany ary efa nandrombaka amboara maro tamin’izany. Araka izany, efa manana traikefa i Kezia Jonah, ankoatra ny fahaiza-manaony, noho ny fianarana sy ny fiofanana natrehiny. “Tombony sy fanararaotra lehibe ho anay ny fisian’ny hetsika sahala amin’izao hampitomboina sy hanatsarana hatrany ny traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny tontolon’ny dihy”, hoy i Tojo, mpampianatra dihy.
Lin