INDRAY MIJERY

Niakatra ho 821 250 ny tokantrano hisitraka
ny tohana ara-bola “Tsimbina” raha noheverina ho 657 000 teny am-panombohana ny tetikasa. Ho an’Anta­nanarivo Renivohitra, mahatratra 150 000 ny tokantrano hisitraka ny 200 000 Ar, izay atao indroa mandoa amin’ ny mobile money. Tokantrano 522 759 no efa nahazo ny anjarany ho an’ny faritra maromaro. Hitohy ny 2 septambra ho avy izao ny fizarana ho an’ireo izay mbola tsy nahazo.
Efa niverina ny fitaterana an-dranomasina mampitohy an’i Comores sy Madagasikara. Nanomboka ny 29 jolay lasa teo, tsy nahitana tranga vaovao amin’ny kolera intsony tany an-toerana. Mitohy anefa ny Chimio prophylaxie ciblée ho an’ireo mpandeha rehetra tonga eto Madagasikara avy amin’ireo firenena nahatiliana ny kolera ho fiarovana.
Mitohy ny fanamarihana ny faha-40 taonan’ny Fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo ao amin’ny Oniversi­ten’i Mahajanga. Nisy ny roa andro natokana ho an’ny velakevitra siantifika iraisam-pirenena tamin’ity herinandro ity. Fahasalamana ho an’ny rehetra no lohahevitra noraisina, nahitana fifampizarana am-bava sy amin’ny petadrindrina ho an’ny mpitsidika momba ny fahasalamana sy ny tontolo iainana, ny fahasalamana sy ny fandidiana…
Handray anjara amin’ny “Village de la francophonie”, any Paris, ny 2 ka hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao i Madagasikara. Hitondra ny fomba amam-panao malagasy, izay hampahafantarina ao anatin’ity hetsika ity ny minisitera maromaro mifandrimbona.

Partager sur: