Nisokatra ny alarobia lasa teo ny “Foara B to C”, nandraisan’ireo fikambanana na ONG anjara, tanterahina eny an-tokotanin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolotsaina Mahamasina. Nitondra torohevitra ho an’ny mpitsidika momba ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fampianarana ny sakafo ara-pahasalamana ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN). Manana toby Fafi na toby PNNC miisa 901 ny faritra Analamanga, amin’ny kaominina 100, anatin’ny distrika fito. Mampianatra sy manoro hevitra ny isan-tokantrano momba ny sakafo ara-pahasalamana izy ireo. Manana ny akora fototra maro ny faritra fa ny mponina no tsy mahay mikarakara izany ho lasa sakafo mahavelona, mitondra hery sy otrikaina ilaina, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny Ofisim-paritry ny fanjarian-tsakafo Analamanga, Ralaiarisoa Tanjona, teny Mahamasina.
Zava-dehibe ny fahafantarana ny sakafo ara-pahasalamana ho an’ny vehivavy mitondra vohoka sy ny zaza ao am-bohoka ka hatramin’ny faharoa taonany (1 000 andro voalohany) no hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo. Mitarika fahatarana amin’ny fitomboan’ny vatana sy ny saina ho an’ny zaza ny olana ara-tsakafo nandritra ny 1 000 andro voalohany eo amin’ny fiainany.
Vonjy