Rabary Paul: “Mahavelombolo ny fanendrena PDS”

Am-perinasa tanteraka ny filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Mitondra ny heviny, Rabary Paul, mpandinika fiarahamonina.

«Mahavelombolo: maninona no Ra­manantsoa Harilala no PDS? Satria olona azo lazaina hoe tafita teo amin’ny fiainana, teo amn’ny fikirizana eo amin’ny lafiny fandraharahana, ary manana hevitra be dia be izay tsy mbola nisy nanao teto Madagasikara». Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, ny amin’ny nanendrena an-dRamanantsoa Harilala ho filohan’ny Delegasiona manokana (PDS), Antananarivo Renivohitra. Fisokafana lehibe eo amin’ny fitondram-panjakana ny manendry olona avy amin’ny firaisamonina sivily, olona tsy manao politika, olona tsy mieritreritra politika eo amin’ny fiainana fa mitondra fandrosoana ary inoana fa tsy mikatsaka afa-tsy fampandrosoana. “Izaho mino fa raha tafita soa aman-tsara ny adidy aman’andraikitra aminy amin’ny maha PDS, efa izy izany no kandidàn’ny fitondram-panjakana. Na farafaharatsiny raha mirotsaka amin’ny anaran’ny mahaleo tena izy, tsy hanelingelina azy amin’izay ny fitondram-panjakana”, hoy izy.
Momba ny filoha Rava­lomanana, filohan’ny Repob­lika hiverina hanao ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohi­tra : mandroso ve izany? Manahirana ny mieritreritra an’izay, araka ity mpandinika fiarahamonina ity. Satria mandroso ny olona, tsy miverina any amin’ny 20 na 30 taona lasa fa mitombo taona sy fahamatorana. Raha manao filokana toy ny amin’ny fanatanjahantena dia mpifaninana manana tombony manokana Ravalomanana. Raha tsy voafidy izy, fahafaham-baraka miezinezina ny azy. Raha voafidy izy, ara-dalàna izay.

R. Nd.

Partager sur: