Satria very ny fototra…: Simban’ny resa-pinoana ny Malagasy

Tao anatin’ny andro maromaro, nafana ny fanehoan-kevitra momba ny finoana. Tao ny nanome tsiny. Nisy ny variana sy gaga. Tsy vitsy ny nanidy ny vazany. Ireo zatra mampiady tarehimarika, nanao izany avy hatrany. Nitranga ireny, satria, very fototra ny Malagasy !

Nifanaretsaka ny fantsy ! «… mpangoron-karena » ! « Olona badraodra mora ambakaina » !… « Mahantra loatra ny Malagasy. Miantsampitsampy amin’izay hitany »… Endrika maneho ny fahaverezan’ny fototra ny tahaka io. Tsy mahita afa-tsy ny eo an-tendron’orona intsony ny Malagasy. Avy amin’izay no hamoahana hevitra. Tsy afaka mitodika na mijery na mandalina ny zava-nisy niainan’ny teo aloha. Tsy afaka mibanjina ny hoavin’ny taranaka atsy aoriana ihany koa.
Ny tantara, anefa, sady tsy azo ovaina no sarotra kose­hina… Nialohan’ny fanafihana (basy aman-tafondro…) sy fampiasan-kery nataon’ny Anglisy sy ny Frantsay teto Madaga­si­kara. Nampidirin-dry zareo ny fivavahany sy ny Baiboliny. Ireto ny asa nilofosany niaraka tamin’ireo : noharatsiany, novetavetaina, novereziny hasina, sns, ny fomba amam-panao, ny fahalalana, ny kolontsaina malagasy. Narefo ny Malagasy ka mora tamin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona ny nampiasa hery avy eo… Resy ny Malagasy !
Mila mahafantatra sy miaina ny fototra mba tsy ho resy lava

Amin’izao vanim-potoana izao, mbola miaina ao anaty faharesena hatrany ny Malagasy. Resy amin’ny fiainana, satria, mahantra fadiranovana. Resy amin’ny fahalalana ka tsy mahafantatra akory fa eo an-tampon’ny loha Andriamanitra fa tsy sambotsamborina eny ananona eny. Resy amin’ny fahaizana ka tsy mahafantatra intsony fa ity tany ity (Madagasikara) no manan-karena indrindra maneran-tany, amin’ny lafin-javatra maro. Resy amin’ny toe-tsaina ka mihevitra fa izay mampiasa ny teny vahiny no lazaina fa olona ambony, sns.
Ny fanabeazana no mila harenina. Rehefa mety ho fanabeazana, haverina any amin’ny fototra avokoa. Iainana izany avy eo. Ny Malagasy, mahafantatra an’Andriamanitra Andria­nanahary. Noho izany, tsy azy ny resa-pinoana sy antokontokom-pivavahana. Ny Malagasy mahafantatra tsara fa misy ny tody, fady, tsiny, sns. Mila ampianarina ny taranaka malagasy ny fisian’ireny… Somary sarotsarotra ny manatanteraka izany, saingy, raha tsy hatao, afaka 15 taona raha ela indrindra, tsy an’ny Malagasy intsony i Madagasikara !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: