Tao anaty kizo: taolam-paty telo gony hitan’ny miaramila

Saika hatao inona? Taolam-paty marobe tanaty gony no hitan’ny lehiben’ireo miaramila mpiandry kizo ao Analamarina, kaominina Tsaratanàna, distrikan’Ifanadiana, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo fampandrenesana momba ny fisian’ity taolam-paty ity ireo miaramila ka voamarina tokoa ny fisian’izany tao amin’ny kirihitr’ala manamorona ny lalana mihazo an’Ambohimanga Atsimo, ao Sandrasaty. Tonga teny an-toerana koa ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 Analamarina nanao ny fizahana izany. Voamarina tao anatin’izany fa taolan’olona tokoa ireo, mitsinjara ho toy izao: Taolan-dava miisa 145 miaraka amin’ny taolam-pohy miisa 86. Tsy mbola nisy nilaza ho vaky fasana tao an-toerana na koa olona milaza ho tompon’ireo taolam-balo ireo. Efa nalefan’ireo tomponandraiki-panjakana rahateo koa ny fampandrenesana momba izany. Taorian’ny fizahana, natolotra ny kaominina Tsaratanàna sy ny sefo fokontany Sandrasaty ary ny fokonolona ireo taolam-balo ireo. Halevina avy hatrany ireo taolana ireo raha tsy misy olona tonga milaza ho tompon’izany.

J.C

Partager sur: