Hampihena ny fanafarana vokatra ara-pambolena voahodina sy hanatsara ny fiarovana ara-pahasalamana ary hanatsara ny fahaiza-manao eo amin’ny mpamboly mpandraharaha ny tanjon’ny tetikasa PTaso. Hampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ihany koa. Ankehitriny, mametraka ny vala indostrialy natokana ho an’ny fambolena (PAI) sy ny ivontoerana natokana ho an’ny fandraharahana ara-pambolena ny fitondram-panjakana. Mpiara-miombon’antoka sy hanatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae).
« Hanara-maso ny fanodinana ireo vokatra ao an-toerana hampivoarana ny toekarena sy hanome lanja ny vokatra eny ifotony ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra », hoy ny Sekretera jeneralin’ny Mic, Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa. « Hanohana ara-teknika sy hanamora ny fampitaovanan’ireo tantsaha mpamboly kosa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Hanamafy ny fahaiza-manao eo amin’ny famokarana hampitomboana ny akora ahodina ihany koa ny minisitera », hoy ny Sekretera jeneralin’ny Minae, Raharinomena Fanja.
Marihina fa miantso ireo mpampiasa vola hisehatra any an-toerana ny fisian’ny PAI sy ny ivontoerana natokana ho an’ny fandraharahana ara-pambolena. Ankoatra izay, manampy amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’ny tantsaha ny tetikasa koa ny PTaso.
Henintsoa Hani