Tim Eoropa: miantso an-dRavalomanana Marc tsy hihemotra

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny eo anivon’ny Tim any Eoropa. Nambaran’izy ireo fa fanantenana lehibe ho an’ny Malagasy izany ary efa voaporofo tamin’ny fahaiza-mitantana ny Renivohitra sy i Mada­gasikara fony nisahanany izany andraikitra lehibe izany. “Miangavy anao izahay mba tsy hihemotra intsony na ino­na na inona fampitahorana na sakantsakana isan’ambaratongany ka miketrika ny hanakanana anao”, hoy izy ireo.
Notsindrin’ny fanambarana fa efa nandrandrain’izy ireo hatramin’izay ny handraisany andraikitra eto amin’ny firenena ka tokony hiverina amin’ny filoha nasionalin’ny Tim ny fahefana mba tena hipetrahan’ny fahombiazana. Natsidik’izy ireo koa ny amin’ny tokony haha mailo manoloana ny mety hisehoan’ny hala-bato sy ny hosoka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna.
Nanterin’ireto Tim any Eoropa ireto koa fa lehibe sy sarobidy ny fanantenan’ny vahoaka. “Efa nandefitra imbetsaka loatra, nanomboka ny taona 2018 sy ny 2019 na koa ny tamin’ny herintaona isika”, hoy ihany izy ireo. Naneho fahavononana hanohana amin’ny fomba rehetra miaraka amin’ny heriny ireto Tim any Eoropa ireto. Nohamafisin’ny fanambarana koa fa tsy mila kandidà hafa ankoatra ny filoha teo aloha, Ravalomanana, izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: