Tournoi de Capricorne: miisa 375 ireo mpandray anjara

Nifaninana nanomboka omaly ireo judokas malagasy manerana ny Nosy, miatrika ny fifaninanana “Tournoi de Capricorne”, taranja Judo, andiany faha-28, tanterahina any Toliara.

Mpikatroka manerana ny Nosy 375 no tonga any Toliara, nanomboka ny 28 aogositra lasa teo hiatrika ny andiany faha-28 amin’ny “Tournoi de Capri­corne”, taranja Judo. Tamin’io alarobia 28 aogositra io ihany koa no nanaovana ny antsapaka izay natrehin’ny filohan’ ny Union africaine de Judo (UAJ). Niditra tamin’ny fifanintsanana avy hatrany kosa, omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Tsenengea. Araka ny fandaharam-potoana, haha­ritra telo andro ity fifaninana­na ity, izay ahitana sokajy Poussins, Minimes, Benja­mins, Cadets, Juniors ary Seniors. Ny sokajy Minimes sy Seniors no nisantatra ny fifaninanana, omaly. Ny Juniors sy Cadets kosa no hifaninana, ho amin’ny anio, ary ny sokajy Poussins sy Benjamins no hiady rahampitso.

Raha hiverenana ny andro omaly, anisan’ny nahazo fandresena teo amin’ny sokajy -57 kg sokajy Minime, Rakoto­anosy Eurielle (NJA), izay nifanandrina tamin’Andria­nirina Yaro Miando (FTR). Teo amin’ny sokajy -48kg, mbola nahazo fandresena ihany koa ny mpikatroka avy amin’ny NJE, i Hasinomenjanahary. Tsiahivina, diabe namakivaky ny tampon-tanan’i Toliara no nanokafana ity andiany faha-28 ity. Niato nandritra ny 5 taona ny “Tournoi de Capri­corne”, noho ny antony maro samihafa ary izao tafaverina izao indray. Nahazo tsodrano tamin’ireo manam-pahefana ao Toliara ireo mpikarakara notarihan’i Maître Ashik Houssen Mamodaly notronon’ ireo Judokas avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.

Mi.Raz

Partager sur: