Mitohy ny ezaka diplomatika ataon’i Madagasikara! Manomboka ny fametrahana ambasadaoro malagasy any ivelany. Nisantatra izany i Maraoka sy Etazonia. Noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, izany. Manaporofo fa manao ady sisika goavana ny Malagasy amin’ny fametrahana ny toerany amin’ny tokony hisy azy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miandry ny fankatoavana avy amin’ireo firenena roa ireo dia mikopak’elatra izy mianadahy voatendry.
Ankoatra ny fametrahana ireo lehiben’ny masoivoho, iaraha-mahalala ny fahatongavan’ny vahiny eto amintsika. Milahatra ny fametrahana ny taratasy manendry azy ireny. Porofo mivaingana fa anisan’ny firenena manan-danja amin’ny mpiara-miasa sy ny mpiara-miombon’antoka izany i Madagasikara. Manamafy ny fahamatoran’ny politika iraisam-pirenena koa izany.
Inona ary no andrasana? Taratry ny finiavana ataon’ny fitondram-panjakana izany. Mitaky ezaka avy amin’ny olom-pirenena tsy ankanavaka koa anefa. Iaraha-mahita ny fiaraha-mientan’ny tanora nomem-pahefana, fitotototoana etsy sy eroa. Miraradraraka ny famatsiam-bola sy ny fifanaovan-tsonia. Manana adidy hifanohana ny olom-pirenena tsotra, tsara sitrapo.
Tsy ampy ny fimenomenomana fotsiny, na ny fanakianana be fahatany. Tsy maintsy mitondra ny anjara biriky raha miandrandra fampandrosoana. Tsy tokony hihanona fotsiny amin’ny fanomezana na miandry ilay toloram-potsiny. Mila toe-tsaina vonona sy sahy mandray andraikitra hatreny ifotony. Manana adidy ny hifanentana Ramalagasy.
Tsy nataotao fahatany rahateo ny fampidirana ny teny « Firaisankina » anatin’ny minisitera iray, mba tsy ho anarana fotsiny fa hamerin-kasina ilay fihavanana nampiavaka an-dRamalagasy. Hivoy ny fifankatiavana fa tao-trano tsy efan’ny irery ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
r.r