VAOVAO TAMBATRA

Manakaiky ny ampahefatry (1/4) ny asa ny fanamboarana ny lalana fivoahana haingana (voie rapide) mampitohy ny RN2 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Tokony ho vita amin’ny volana mey 2026 ity asa ity, mirefy 9,6 km, tanterahin’ny orinasa Sinohydro.

Ho ampiasain’ny fanjakana ny ambim-bolan’ny Fidirambolan’ny fanjakana madiodio (Rpi) tsy lany tamin’ny kaontim-bola tetikasa fanajariana ny lemaka Bas Mangoky PEPBM Toliara. Hanatanteraha­na ny fikojakojana sy fanadiovana ny lakandrano io ambim-bola io.

Handray an-tanana ny fandaniana amin’ny fivoriambean’ireo Actionnaires Africa 50 i Mada­gas­car. Miisa 31 ireo firenena afrikanina mivondrona ao anatin’ny Africa 50. Misokatra amin’ny fampiasam-bola i Madagasikara sy hampiroborobo ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra laharam-pahamehana ho an’ny firenena.

Handray anjara amin’ny « Village de la Francophonie » any Paris, ny 2-6 oktobra, i Mada­gasikara. Lohahevitra amin’ny hetsika ny « Ré-enchanter le monde » izay hampahafantarana ny fomba amam-panao malagasy amin’ny alalan’ny zavakanto. Tanjona ny hanatsarana ny endriky ny Nosy malagasy.

Partager sur: