Andron’ny haisoratra : hanao « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » ny Havàtsa-Upem

Hatramin’izao, tsy mbola misy mahasolo ny boky… Nihena miandalana anefa ny fampiasana azy ity tato ho ato. Manoloana izany, mandray andraikitra avy hatrany ny Havàtsa-Upem.

Ho fanamarihana ny faha-72 taonan’ny Fi­kam­banan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Hanatan­tera­ka « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahatelo ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny tontolon’ny haisoratra ity. « Andron’ny Haisoratra », hotontosaina ny zoma 6 septambra izao, manomboka amin’ny 11 ora atoandro.
Ho an’ny eto an-dRe­nivohitr’i Madagasikara, « Dia rodoben’ny vakiboky an-da­lambe », miainga eo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra ny dia. Mizotra mankany amin’ny Gara Soarano. Mihodina, mi­zotra mahitsy miakatra an’An­do­han’Analakely. Fahaton­ga­vana eo anoloan’ny Tahala Rarihasina Analakely. Mitohy hatrany ny famakiana ny haisoratra voarakitra anaty boky.

Dia rodobe hanasana ny olon-drehetra tsy ankanavaka
Mpikarakara ny Havàtsa-Upem, fa hanasana ny olona rehetra tsy ankanavaka ity Dia rodoben’ny vakiboky ity. Tsy handeha tanam-polo fa samy hitondra boky mirakitra haisoratra ny olona handray anjara. Mamaky amim-peo avo izy ireny no mandeha manatanteraka ny dia.
Anisan’ny hetsika lehibe hanairana indray ny Malagasy hitodika any amin’ny vakiboky ny tahaka itony. Hatramin’ izao, mantsy, tsy mbola misy mahasolo ny boky. Mirakitra ireo karazam-pahalalana ma­ro maneran-tany. Mifamatotra akaiky amin’ny aingam-panahin’ny mpanoratra ny boky, noho ny fampiasana ny soratra, hany ka mora miantefa any amin’ny fanahin’ireo mamaky.
Fantatra fa talohan’ny taona 1975, i Madagasikara no nitana ny laharana voalohany tamin’ny famakiana boky, raha ho an’ny kaontinantan’i Afrika. Ny boky lafo teny amin’ny fivarotam-boky no nakana ny mari-drefy tamin’izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: