Feno 60 taona ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) izay niforona ny taona 1964. Niditra ho mpikambana ao anatiny i Madagasikara nanomboka ny taona 1976 ka ny fanamboarana ny lalana tao Bealanana no tetikasa voalohany notohanan’ity banky ity. Tao anatin’ny 48 taona, miisa 155 ny tetikasa notohanana sy notanterahin’ ny Bad teto Madagasikara. Mahatratra 809 tapitrisa dolara ny totaliben’ny famatsiam-bola ankehitriny. Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Bad tetsy amin’ny tokotanin’ny Tour Zital Ankorondrano, fa «miisa 19 ireo tetikasa mbola an-dalam-panatanterahana ary mbola mitohy ny fiaraha-miasan’ny firenena amin’ ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana». «Mandeha tsara ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Bad. Tanjona ny hanafainganana ny fanovana ara-drafitry ny firenena amin’ny alalan’ny indostria mba hamoronana asa mendrika sy hanafahana ireo olana samihafa. Ireo no tanjona ao anatin’ireo tetikasa 2022-2026», hoy ny tomponandraikitry ny Bad eto Madagasikara, i Adam Amoumoun. Azo tsapain-tanana sahady, hoy izy, ny vokatra azo amin’izao fotoana ka vonona hanohy sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena hatrany ity banky ity.
Fampandrosoana
Maro ireo tetikasa fanamboaran-dalana natao sy mbola hataon’ny Bad manerana ny Nosy. Ankoatra izay, miompana amin’ny fanjakana tsara tantana ireo tetikasa hiarahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola amin’ny Bad. Anisan’izany ny Projet de renforcement de la gouvernance par la digitalisation (Pregodi), ny Appui à la mobilisation des recettes publiques (ARMP) ary ny Appui au renforcement des capacités d’analyse de vulnérabilité structurelle et à la promotion de l’économie bleue (Arceb).
Henintsoa Hani