Baolina kitra – « Can 2025 »: hanala vela amin’i Tunisie i Madagasikara

Hotanterahina ny 5 septambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Hamadi Aguerbi Rades, Tunisie, ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Aigle de Cartage Tunisie. Fihaonana izay tafiditra amin’ny andro voalohany, fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc. Mbola manala vela ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity fifanandrinana ity. Raha tsiahivina, ny voromahery tonizianina no nanintsana ny Barea, 3 no ho 0, teo amin’ny ampahefa-dalan’ny “Can 2019”, izay notontosaina tany Egypte.
Efa nanainga ny alarobia lasa teo ny delegasiona malagasy voalohany, izay ahitana ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô. Ankoatra izay, hatao ny 9 septambra ho avy izao, any Tunisie ihany, ny andro faharoan’ity fifanintsanana ity, ho an’ny Barea. Ny Nosy rahavavy Comores no hifandona amin’ireo malagasy mpilalao amin’izany.
Marihina fa i Comores, izay iray vondrona amin’i Madagasikara ihany koa, ao anatin’ny fifanintsanana hangalana ny tapakilan’ny “Mondial 2026”. Efa lavon’ny Barea 2 no ho 1, ireto kaomorianina ireto, tamin’izany.

Fitia Randria

Partager sur: