Roa herinandro taorian’ny nahafaty ilay teratany frantsay tany Toamasina, izay nisy namono tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray any an-toerana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa atidoha nikotrika izany ny miaramila zazavao iray.
Nody ventiny ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena tany Toamasina, raha ny fanazavana nataon’ny talem-paritry ny Filaminana anatiny, ny komisera Rakotovao Jean Christian. Raha tsiahivina, nisy namono ny alin’ny 18 hifoha 19 aogositra lasa teo ny teratany frantsay iray. Hita faty tany Morafeno, manoloana trano fandraisam-bahiny, izy io. Nandray sy niandraikitra ny raharaha mahakasika izany ny sampana misahana ny ady heloka bevava sy fikarohana.
Nahatratra 14 mianadahy ny olona nalaina am-bavany sy nohadihadiana teny anivon’ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fanadihadiana, voasambotra ny miaramila zazavao iray sy ny vadiny. Mbola nisy olona iray hafa karohina izay naman’ity miaramila ity. Fantatra fa niray tsikombakomba nanatanteraka ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ilay teratany frantsay ireo voatonona ireo. Araka ny fanadihadiana natao hatrany, nisy mpiambina roa ilay trano fandraisam-bahiny, 30 metatra niala ny toerana namonoana io teratany frantsay io. Nosamborina ihany koa moa ireto mpiambina ireto noho ny tsy fandraisan’andraikitra sy tsy nitoroka tany amin’ny polisim-pirenena.
Goragora ny fiambenana ny toby miaramila
Amin’ny ankapobeny, tsy mahazo mivoaka ny toby ny miaramila zazavao, saingy nisy antsirambina ny fanaraha-maso ka nampivoaka ity miaramila voasambotra ity. Nangalatra nivoka izy ary tamin’izany no nanatanterahany ny asa ratsiny. Etsy ankilany, tsy misy fefy ny toby, feno mpivarotra zava-pisotro mahamamo koa ny manodidina. Antony mahatonga ny fiambenana ho tsizarizary, raha ny zava-misy.
Raha ny fanadihadiana, nivoaka tao amin’ny toby ity miaramila zazavao ity. Efa nanomana sy nitondra zava-maranitra izy rehefa tafavoaka tao. Nivantana avy hatrany tao amin’ny “Bar karaoke” iray malaza any Morafeno izy avy eo. Nahita ny vadiny sy ilay vazaha teratany frantsay izy tamin’io fotoana io. Tamin’ny iray ora maraina, nivoaka hamonjy fodiana ilay vazaha ary nandeha an-tongotra.
Taorian’izay, nivoaka nanaraka azy ity miaramila zazavao ity sy ny namany hafa nanara-dia an’ ilay vazaha. Tsy nisalasala fa namono avy hatrany ilay teratany frantsay teo alohan’ny trano fandraisam-bahiny voalaza etsy ambony. Rehefa vita ny asa ratsy, niverina tao amin’ilay trano fisotroana izy naka ny vadiny sy nanatritra azy tany an-tranony. Mbola niverina tao indray izy avy eo ary niantso ny rainy mba hanatitra azy eny amin’ny toby. Araka ny famotorana hatrany, saika mbola hanamarina raha maty ilay vazaha novonoiny na tsia tamin’io fotoana io.
Jiolahy hafa tratra, nahitana basy sy fanamiana zandary
Ankoatra izay, voasambotry ny polisy tao Tanambao Verrerie ihany koa ny jiolahy efa-dahy. Efa olon-dratsy, misandoka ho mpitandro filaminana efa nozahaina nandritra ny fotoana ela, malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana ihany koa izy ireo. Tratra, nandritra ny fisamborana ireto farany ny basy lava sy fanamiana zandary vaovao fampiasan’izy ireo mandritra ny asa ratsiny. Anisan’ny hanenjehana azy ireo ny fahatrarana azy ireo namaky trano sy nampiasa fitaovam-piadiana. Raha tsiahivina, nitrangana vaky trano tany Mangarivotra Atsimo, ny alin’ny 29 hifoha 30 jolay lasa teo. Tonga tany an-toerana ny polisy fa efa nitsoaka ireo jiolahy. Nofatoran’ireo olon-dratsy ny mpiambina ny tanàna. Lasan’izy ireo tamin’izany, ny vola 4 tapitrisa Ariary sy finday avolenta ary firavaka volamena. Natao ny fanaraha-maso ny finday very tamin’io fotoana io, taorian’ny fitarainana nataon’ny tompony. Rehefa azo ilay finday, hita tao anatiny avokoa ireo sary niarahana tamin’ireo mpamaky trano sy ilay mpiasa tao an-trano. Nisy ny sarin’ny vola norobaina sy ireo volamena samihafa ihany koa tao. Vokany, nisy fifandraisana sy fifampiresahana tamin’ny mpanampy tao an-trano nahafahana namaky ny tanàna. Antony iray nisamborana ity mpanampy tao amin’ny trano voaroba ity izany.
Marihina fa nisy ny valandresaka nataon’ny Talem-paritry ny filaminana anatiny, faritra Atsinanana nahafahana nilaza izany rehetra izany. Tsy hitsahatra hatreo ny asa fanenjehana ataon’ny mpitandro filaminana fa hitohy hatrany.
Nanatontosa : Sajo