Nandray voalohany ireo vondrona sy fikambanana mpisehatra amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, tamin’ity herinandro ity. Nandritra ny dinika tamin’ireo solontena avy amin’ny Colléctif des professeurs des universités » notarihin’ny Pr Rakotomanana Hajanirina, voaresaka ny fanatsarana ny fampianarana sy ny Oniversite (excellence). Hampiana ihany koa ny Oniversite manakaiky vahoaka satria tena ilaina. Efa nandroso soso-kevitra momba ny volavolan-dalàna ho fanatsarana ny Oniversite izy ireo ary hotanterahina any Toamasina, ny volana novambra, ny fivoriana isan-taona fanaon’ny vondrona ka anisan’ny lohahevitra hodinihina ny momba ity excellence ity.
Nihaona tamin’ireo mpikamban’ny Fikambanan’ny mpikaroka mpampianatra (ACE) notarihin’ny filohany, Dr Baohanta Rondro, ny minisitra. Ny vinan’asan’ny fikambanana sy ny ifandraisany amin’ny Seces ary ireo fiaraha-miasa azo atao eo anivon’ny minisitera foibe no fototry ny fihaonana. Tanjon’ny ACE ny hanomezana lanja ny mpikaroka sy ny voka-pikarohana izay anisan’ny fototra ijoroan’ny fampandrosoana ny firenena. Voaresaka ihany koa ny maharary ireo ivontoeram-pikarohana eto Madagasikara. Nitafa tamin’ny Sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ihany koa ny minisitra.
Vonjy