Fananan-tany any Ambovombe : namaha olana ny minisitra Andriantsitohaina

Efa eny an-kianja avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Anisan’izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina.

Mazava ny toromariky ny filohan’ny Repob­li­ka farany teo ny amin’ ny hidinan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta eny an-kianja, manomboka izao. Tsy niandry ela fa nidina ifotony tany atsimon’ny Nosy, any Ambovombe Androy, om­a­ly, ny minisitra, Andriantsi­to­haina Naina, sy ireo delegasionin’ny minisitera. Anisan’ny notsidihiny tamin’izany ny Bi­rao ifoton’ny fananan-tany any an-toerana, iarahana amin’ny tetikasa Mionjo, ka nanomezany toromarika ireo mpiasan’ny minisitera, indrindra amin’ny famahana ny olan’ny fananan-tany.

Teo koa ny fitsidihana ireo Biraon’ny fitaleavam-paritry ny Fitsinjaram-pahefana, ny fanajariana ny tany ary ny fananan-tany (DRDATSF) ao Ambovombe.

Fikaroham-bahaolana miaraka
Manampy izany ny fihaonany tamin’ireo ben’ny Tanàna amin’ireo kaominina any an-toerana sy ny sampandraharaha teknika (STD) tao amin’ ny faritra Androy.
Anisan’ny tanjona tamin’ izany fidinana ifotony izany ny hanarahana maso akaiky ny asa efa natomboka. Eo koa ny fikarohana miaraka ireo vahaolana amin’ny mety mbola sakana amin’ny fampandrosoana any amin’iny faritra iny. Anisan’izany ny fanafainganana ny fanatanterahana ireo asa momba ny tetikasa fananganana fotodrafitrasa maharitra amin’ireo kaominina miisa telo any amin’ny faritra Androy sy Anosy ary Atsimo Andrefana.
Tsiahivina fa anisan’ireo minisitra mbola nametrahan’ny filoha Rajoelina Andry ny fitokisany ka mbola voatana amin’ny toerany Andriantsitohaina Naina.

Synèse R.

Partager sur: