FANTINA sy FINTINA

Nisafidy ny tsy hanao politika, taorian’ny fahanginany Ny Rado Rafalimanana. Nambarany fa efa kandidà filoham-pirenena indroa ny tenany ary nihevitra ny hahavita. “Tena tsy haiko ilay fomba fanaovana politika eto”, hoy izy. Nanafarany ireo mpisehatra izany ka nilazany fa mila fantatra aloha izany Madagasikara izany raha te hanao politika.
Mitaky ny hanaovana hazalambo ireo mpaka an-keriny any Anjozorobe ny depiote Gascar Fenosoa. Nambarany fa sokajiana ho fahavalom-pirenena sy ny vahoaka ireo nahavanon-doza ka namono olona dimy ireo. “Mihorohoro ny vahoaka ary tsy afa-mivelona sy mamelona ny fianakaviany intsony. Mitombo hatrany ny fahantrana efa mianjady”, hoy izy.
Nankasitraka ny firotsahan’ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, ho ben’ny Tanànan’ Antananarivo ny Vehivavy Tim Analamanga. Nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly, tetsy Bel Air, fa vonona izy ireo hanome ny heriny hampandaniana azy. “Mbola tsapa sy tadidinay ny zava-bitany. Matoky izahay fa tsy hisy sakana ny filatsahany”, hoy izy ireo.
Mitohy ny hetsika fanohanan’ny Vehivavy Malagasy miara-miainga ny ray aman-dreny amin’ny fampianaran-janaka. Miditra an-tsehatra izy ireo amin’ ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary. Anisan’ny nisitraka izany ny ankamaroan’ireo kaominina Avaradrano, toy ny ao Vilihazo…

Partager sur: