Fiatrehana rivodoza – MAROANTSETRA: Novolavolaina ny paikady

Araka ny voafaritra ao anatin’ireo voka-panadihadiana nataon’ny mpikaroka sy ny manampahaizana manokana, anisan’ireo distrika voasokajy ho tena marefo manoloana ny mety ho fitrangan’ny loza entin’ny rivodoza sy ny tondradrano i Maroantsetra. Noho iza­ny, noheverina fa tokony hojerena manokana ny fanamafisana ny fahafaha-miatriky ny mpiantsehatra rehetra any an-toerana, hampiakarana ny traikefan’ny tomponandraikitra rehetra eny ifotony, handrindra ny asa vonjy sy hifandrindra amin’ny hetsika tokony hatao amin’ny lafiny fitantanana loza sy tandindon-doza amin’ny ankapobeny.
Nisy, araka izany, ny atrikasa fakan-kevitra hamolavolana ny paikady ho an’ny distrikan’i Maroantsetra sy ireo kaominina ao anatiny: Ma­roantsetra, Antakotako, Ma­nambolo, Mariarano, Saha­sindro, Ambinanitelo, Andra­no­fotsy, Anjanazana, Anko­fabe. Nampandraisina anjara mavitrika tao anatin’izany ireo solontena maro avy eny ifotony.
Natao ny famelabelaran-kevitra ahafahana mampifanojo ny traikefa ananan’ireo mpisehatra eny an-kianja sy ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina avy amin’ny BNGRC ary ireo sampandraharaham-panjakana eny anivon’ny lafitany sy ny kaominina.
Tafitiditra amin’ny tetiandrom-piomanana amin’ny fiatrehana ny vanim-potoan’ny rivodoza ny atrikasa. Nano­hana ny fanatanterahana izany ny Saf/ FJKM, niaraka amin’ny Diakonie Katastro­phen­hilfe (DKH).

Vonjy

Partager sur: