Vehivavy iray 26 taona mpivarotra hani-masaka no hita faty teo ambony fandriana natoriany, tao amin’ny fokontany K7, kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Taorian’ny fampandrenesana voarain’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mandrosoa Ivato, tonga nanao fizahana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 Ivato. Nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera no nahitana fa mandrovy ny vavany sady mitsilany teo ambony fandriana izy. Tsy nahitana ratra na zavatra mampiahiahy ny vatany. Tombanan’ny dokotera nizaha ny razana ho fijanonan’ny fo tampoka no nitarika ny fahafatesany. Nambaran’ilay ipetrahany fa efa fanaon’izy ireo ny mifoha maraina mikarakara sakafo amidy. Tsy mbola taitra anefa izy ka rehefa nofohazina dia tsy namaly. Nosokafana avy any ivelany ny efitranony dia izy efa mihohoka amin’ny tany ny lohany, ny vatany eo ambony fandriana no hitan’ny olona. Mialoha ny fahafatesany, nitaraina narary nify sy an-doha izy afakomaly hariva. Taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera sy ny zandary, natolotra ny fianakaviany ny razana.
J.C