Filohan’ny Holafitry ny vadintany : “Hamafisina ny fiarovana anay eo amin’ny asa”

Voafidy hitantana ny Hola­fitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty (CNHJPM), araka ny fifidianana natao omaly, tetsy Ambodivona, ny Me Rarivoarivony Andriantafaina. Nambarany fa misedra olana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asany ka natsidiny ny hanohizana ny hiarovana azy ireo, indrindra eo amin’ny lafiny lalàna sy ny voasoratra amin’ny satan’izy ireo mba tsy hiova na horaisina am-bolony fotsiny izany. “Matetika voahenjika amin’ny zavatra tsy nataonay izahay na miaraka amin’ny mpitandro filaminana aza eny am-panatanterahana ny asanay. Izahay irery anefa no voaantso eny amin’ny fitsarana avy eo ka tsy maintsy hojerena ny momba izany”, hoy izy. Na izany aza, niaiky ny tenany fa eo koa ny saonjo iray lohasaha eo amin’ny samy vadintany sy mpanao lavanty. Tsy maintsy andraisana fepetra anefa izany, araka ny nambarany hatrany. Tsy afaka miaro azy ireny ny CNHJPM raha niseho ny tsy fanarahan-dalàna. “Hirosoana ny fampiharana ny sazy ma­no­loana izany”, hoy ihany izy.

Etsy andaniny, natsidiny fa efa misy ny fiaraha-miasa
amin’ny minisiteran’ny Fitsa­rana ho amin’ny fikarakarana fifaninanana hidirana ho vadintany manoloana ny havi­tsian’izy ireo. Nampanantena kosa ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin, fa hiara-kiasa amin’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny didy. Eo koa ny hiarovana ny vadintany amin’ny fanatanterahana ny asany.

Synèse R.

Partager sur: