Hiofana sy hiasa : Malagasy 14 ho any Japon

14 ny Malagasy handeha ho any Japon. Dimy amin’ireo nisitraka vatsim-pianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Kolontsaina, Fanatanjahantena, Siansa sy teknolojia japonais. Hianatra ny teny japonais kosa ny efatra ary misy hanaraka ny fandaharanasa momba ny fanofanana mpampianatra. Ha­naraka fiofanana ny teny japoney mandritra ny valo volana ny mpiasa avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ary dimy hafa notoloran’ny Jica vatsim-pianarana. Mpia­sa malagasy telo nahazo fifanarahana arakasa mandritra ny dimy taona, izay ao anatin’ny tetikasa momba ny fampandrosoana ny mpiasa eny amin’ny sehatry ny fambolena. Orinasa japonais misehatra amin’ny fambolena no handray azy ireo. Nandray ireo olona 14 handeha any Japon ny masoivohony miasa eto amintsika, i Abe Koji, sy ny solontenan’ny Jica, Tanaka Kaori. Nirary fahombiazana ho azy ireo ity tomponandraikitra ity, hahatontosa ny fianarana sy ny fiofanana ary ny asa hotanterahin’izy ireo any an-toerana. Marihina fa manohana ny fampivoarana ny mpiasa malagasy ny fanjakana japonais.

Vonjy

Partager sur: