Nahoraka tampoka teo indray ny resaka fakana olona an-keriny any Anjozorobe hatramin’ny afakomaly alina. Maty novonoin’ny olon-dratsy ireo takalonaina, dimy be izao. Aiza koa efa ho herintaona ny hetsika manokana, saingy mainka aza mirongatra ny resaka kidnapping. Mahazo vahana ny asan-jiolahy ao Ankazobe, Anjozorobe, Tsaratanàna ary Maevatanàna.
Mipetraka ny fanontaniana: inona ny zava-misy marina? Inona ny sakana tsy ahafahana mandresy ny jiolahy? Sanatrian’ny vava ve ka tsy mahomby na minia tsy manao ny asany ny mpitandro filaminana? TSIA avy hatrany no azo hamaliana izany. Mba miaramila sy zandary tsara hofana ihany ireto alefa mamita iraka. Ampy traikefa tany amin’ny faritra mena rehetra nisy azy tany avokoa no nalefa miasa any an-toerana.
Raha ny fanadihadiana lalina efa natao, mazava be fa ny sarintsarin’ady hatao no rangory fototry ny afo. Porofo iray mitohoka amin’ny tenda ho antsika Malagasy ny fanetsehana angidimby rehefa misy manampahefana mamita iraka. Toraka izany ny tamin’ny fampielezan-kevitra. Tsy mahazo valiny mahafa-po ny mpitandro filaminana raha mila tohana ana habakabaka. Tsy mahagaga raha handihizan’ny mpaka an-keriny ny tanàna.
Impiry impiry nisy ny fisintonana lakolosy sy fanairana ny tomponandraikitra saingy angaha misy manam-piniavana ny hiasa. Manana adidy amin’ny maha mpanao gazety sy mpanao fanadihadiana lalina ny manontsana, saingy ireny no hananam-pahavalo matetika. Zary lasa fahavalon’ny dahalo ambony latabatra, izay tsy iza fa misy amin’ireo olona tokony hamongotra ity trangam-pandikana lalàna ity ihany.
Mazava be ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, omaly, hoe tsy maintsy resena ny mpaka an-keriny. Mijanona ho fampielezan-kevitra fotsiny izany rehefa ny irakiraka madinika ihany no hatao hazalambo.
r.r