Jiolahy nokarohina : maty voatifitry ny polisy tetsy Analakely i Nirina kely

Nirefotra indray ny poabasy tetsy Analakely, omaly hariva tamin’ny 7 ora. Lavon’ny balan’ny polisy i Nirina Kely, jiolahy norakarohina hatry ny ela

Voatifitry ny polisy tao amin’ny pavillon Analakely, omaly hariva, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana, fantatra amin’ny anarana hoe i Nirina Kely. Nikasa hanao ny asa ratsiny teo akaikin’ny mpivarotra tavoahangy izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Nifanenjehana hatrany anaty pavillon izy ka izao voatifitra izao. Nahitana basy vita tanana teny aminy izay saika hanoherany ireo polisy nanenjika azy.
Jiolahy dimy koa lavon’ny balan’ny polisy teny Anka­dievo, kaominina Alasora, afakomaly alina. Teo am-piomankomanana ny hanao fanafihana ireo jiolahy miisa fito mirongo basy sy antsy tamin’io fotoana io. Nahazo antso mialoha anefa ny polisin’ny USI (Saka mainty) ka efa niatrana teny an-toerana. Vao nahita ireo polisy ry zalahy dia nitifitra avy hatrany. Raikitra ny fifanjevoana tamin’ny alalan’ny fifampitifirana. Vokany, maty voatifitra ny dimy tamin’ireo olon-dratsy raha tafaporitsaka kosa ny roa lahy hafa. Basy iray sy antsy no hita teny amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Ni­horohoro tanteraka ny mponina teny Alasora sy ny manodidina nandritra ny fifanenjehana tamin’ireo mpanafika. Fantatra fa ao anatina fikambanan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika ireto lavon’ny polisy ireto.
Roa lavo teo Ambodin’Isotry…
Nitohy teny Ambodin’Isotry indray ny fifandonan’ny polisy sy ny jiolahy, omaly vao maraina. Jiolahy roa indray koa no nifanehatra tamin’ny polisin’ny kaomiarian’Isotry (CSP4) teo akaikin’ny EPP Ambodin’Isotry. Sendra nihaodihaody teny amin’ny manodidina izy roa lahy ireo no hitan’ireo polisy mpanao fisafoana. Tsy nanaiky nosavaina sy hamarinina ny momba azy ireo anefa ny iray tamin’ireo olon-dratsy sady namoaka sabatra. Ny iray kosa nandositra ka nitifitra ireo polisy. Lavon’ny bala ireto jiolahy ireto. Nanamafy ny polisy fa mitohy ny ady amin’ny asan-jiolahy ho fampandriana fahalemana ny tanàna.

Jean Claude

Partager sur: