Hotanterahina ny 2 hatramin’ny 8 septambra izao, any Tunis Tunisie, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate, ho an’ny sokajy Juniors, latsaky ny 21 taona. Nampahafantarina omaly, teny amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro (ANS) Ampefiloha, ny delegasiona handeha.
Mpikatroka 6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena any Tunisie, mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Juniors, araka ny fampahafantarana natao omaly. 5 mianadahy hiala eto Madagasikara, ny alatsinainy 2 septambra alina, ary ny 1 kosa efa any Paris ka avy hatrany dia hihazo an’i Tunisie, miaraka amin’ny Coach Rindra. Efa nanainga omaly alina kosa ireo mpitsara sy ny filohan’ny Federasionin’ ny karate-do Malagasy, raha hiaraka amin’ireo atleta amin’ny alatsinainy, ireo mpanazatra 4 mianadahy. Izany hoe, 13 ny isan’ny olona handrafitra ny delegasiona malagasy. Nanamafy ny filohan’ny Federasiona, Ratefinanahary Emile, fa efa tsara fiomanana ireto solontena malagasy ireto, izay nanomboka nivondrona ny 29 jolay lasa teo ary mikotrana intelo isan’andro. Nisy ny fifantenana natao namoahana ny anaran’ireo mpikatroka mendrika, raha ny fanazavany hatrany. “Nanomboka tamin’ny fifaninanana nasionaly ny fifantenana izay nangalana ireo 4 mendrika indrindra, nitohy tamin’ny fampivondronana ary niatrika fanadinana indroa ireo ankizy ireo vao navoaka ny lisitra farany”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Nodisoiny, araka izany, ny feo miely fa izay manam-bola ihany no afaka miatrika fifaninam-pirenena. Rantsana 5, hoy hatrany izy, no miara-misalahy mamita ny fandaharam-potoanan’ny federasiona, ka anisan’izany ny fikambanan’ny ray aman-dreny, izay misy malala-tanana manome fanampiana ary hanohanana ireo atleta solontena malagasy izany. “Tsy vitan’ny FKM irery ny fampandrosoana ny taranja fa miara-miasa ny federasiona, ny fanjakana, ny mpiara-miombon’antoka, ny fikambanan’ny ray aman-dreny ary ny klioban’ny mpanohana”, hoy hatrany izy.
Tsiahivina, mbola misy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao ny 9-13 oktobra izao any Venise, Italie, handraisan’i Madagasikara anjara.
Mi.Raz
Rakotomamonjy Ayrton (Paris), Andriamihaja Valérie Raissa, Rabemanantsoa Fabio, Raboanaritompo Ornella, Rakotobe Fenosoa ary Andrianavalona Tsiky Mialy.