Nihena ny fanjifana boky : Sakana ny fotoana sy ny vola ary ny fandrosoan’ny teknolojia

Nihena ny fanjifana boky eto Madagasikara raha oharina amin’ny any ivelany, amin’izao fotoana izao. Anisan’ny mitaiza ny saina sy mampivoatra anefa ny fahazarana mamaky azy ireny.

Nihena be ny fanjifana boky amin’izao fotoana izao eto Madagasikara, raha ny fanadihadiana natao. Tamin’ny fotoanan’ny fihibohana nandritra ny fisian’ny valanaretina covid-19 teto Mada­gasikara no tena nandeha­nan’izany. “Nanam-potoana naharitra ny olona ka maro no voasarika tamin’ny famakiana boky, antony nampiakatra be ny taha tamin’io fotoana io”, hoy i Yolande, tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny bibliothica Itaosy, raha nanontaniana tetsy Mahamasina, omaly. Amin’izao fotoana izao, sakana mahatonga ny olona tsy manjifa boky firy intsony ny tsy fananana fotoana fa variana amin’ny asa aman-draharaha ny ankamaroan’ny olona. Faharoa ny tsy fananana vola natokana ho amin’ny boky intsony. Fahatelo, efa voasolon’ny teknolojia ihany koa ny boky amin’ny ankapobeny. Miezaka hatrany anefa ireo mpivarotra manatona sy manentana ireo mpanjifa.

Mpianatra vao hiditra ny tena mpanjifa
“Ny ankizy mpianatra sy ireo ankizy vao hanomboka hianatra sisa (manomboka eo amin’ny telo taona) no tena manjifa boky eny an-tsena amin’izao fotoana izao”, hoy hatrany ity mpivarotra boky iray ity. Mbola tafiditra ao anatin’ny fitaovana takin’ny sekoly ny boky no anton’izany. Ankoatra ny mpianatra, ny boky roman ihany koa no misy mpanjifa vitsivitsy. Tafiditra ao anatin’ny fialamboly sy manala sorisory izy ireny ka antony tokony hanjifan’ny mpamaky azy. Maro ny tombony azo avy amin’ny famakiana boky. Anisan’ny mampivoatra ny saina sy ny maha olona izy io, ahazoana fahalalana maro. Hafa ary misy tombony bebe kokoa ny olona tia mamaky boky raha oharina amin’ny tsy mamaky. Tombony hafa ny fahaiza-miresaka sy mifandray amin’ny manodidina.

Mino

Partager sur: