Maty voatsindrona antsy noho ny ady vokatry ny hamamoana tao an-tanànan’Analandrano, fokontany Analasoa, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, afakomaly, ny raim-pianakavina iray. Niafara tamin’ny vonoan’olona ny fiarahana misotrosotro teo amina andian’olona maromaro tao amin’io fokontany io. Nanomboka niakatra ny feo rehefa mamomamo, tsy nahazaka izany ny lehilahy iray ka nanindrona antsy ity namany. tonga teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny lehiben’ny CSB2 nanao fitsirihana ny razana. Voatsindrona antsy teo amin’ny tratrany havia izy ka nahazo ny fony izany, antony nitarika ny fahafatesany. Lasa nitsoaka avy hatrany ilay nahavanon-doza taorian’izay. Tsy mbola hita kosa izy na teo aza ny fikarohana nataon’ny zandary. Fantatra fa efa fanaon’ity lehilahy nahavanon-doza ity ny manao fihetsika mahery setra toy izao rehefa misotrosotro. Efa natolotra ny fianakaviany kosa ny razana. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.
J.C