Padel – « Island Cup 2024 »: hampiantrano ny fifaninanana i Madagasikara

Sambany! Hampiantrano ny andiany voalohany amin’ny fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, i Madagasikara. Hotontosaina manomboka ny 4 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, eny Soavina Atmos­phère, ny fifaninanana. Fire­nena telo no hifanintsana amin’io lalao io: i Madagasikara, mpampiantrano, sy ny Nosy rahavavy La Réunion ary i Maurice.
Araka ny fanazavana azo teny an-toerana, hahatratra 50 mahery eo ireo mpilalao padel hifanintsana eny an-toerana. Raha ny fanazavana nataon’ny mpikarakara, miisa 14 ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ka ny fito lehilahy ary tahaka izay ihany koa ny isan’ny vehivavy.
Ampahatsiahivina fa efa manana ny lanjany amin’ity taranja ity i Madagasikara. Efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika ny Malagasy mpilalao tamin’ity taom-pilalaovana ity.
Tsiahivina fa tsara toerana amin’ny filaharan’ny “Orange MPPTour” ireo atleta mandrafitra ny ekipa nasionaly. Nambaran’i Gary Ah-Waye, iray amin’ireo mpikarakara ny hetsika fa ity no fifanintsanana Padel lehibe indrindra teto Madagasikara.
Tsara ny mampahafantatra fa hifandimby hihaona ireo firenena telo ireo, ka izay firenena roa mahazo vokatra tsara indrindra no hiatrika amin’ny dingana famaranana.

Fitia Randria

Partager sur: