SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, ny alakamisy lasa teo. Nambarany fa voafaritry ny didy aman-dalàna tokony hotanterahin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta ny fanambaram-pananana ka izany no antony nanaovany izany vantany vao nandray ny toerana maha minisitra azy izy.
Nahita vokatra tsara nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny diviziona faharoa, taranja baolina kitra, ny solontenan’ Ana­lamanga, AS Ste Anne. Nandresy ny ekipan’Itasy, Jet Kintana, tamin’ny isa 4 no ho 2, izy ireo, tany Ambositra, omaly. Amin’ny andro farany kosa dia ny AS Avenir Androy no hifandona amin’izy ireo.
Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy U20, taranja basikety, hatao any Farafangana. Hifaninana eo amin’ny sokajy lehilahy, ny DTSC sy ny NBE ary ny Fandrefiala sy ny BCTT. Hifanandrina eo amin’ny vehivavy kosa ny JEA sy ny MB2ALL ary ny EBF sy ny ACA.
Hiverina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”, federaly 1. Anisan’ ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’izany, ny fifanandrinan’ny Tam Anosibe sy ny TFA Anatihazo, ny Cosfa miaramila sy ny Mang’Art.

Partager sur: