TARATRY ny KANTO

Misaona ny tontolon’ny hiragasy. Nodi­mandry i Felix Ranaivoarison, mpamoron-kiran’ny tarika Ramilison Besigara. Fantatra fa sady mpikabary no mpandihy ihany koa izy. Marihina fa efa tsy salama tao anatina fotoana naharitra izy, noho ny fahatapahana lalan-dra. Anisan’ny niavaka tamin’ny famoronan-kira i Fely, satria, miainga amin’ny zava-misy hatrany izy rehefa mamorona. Mahatafita hafatra tsara ny tononkirany. Maro ny fitaizana sy fanabeazana azo avy amin’izany.
Namoaka boky ho fanandratana ny teny sy ny kolontsaina malagasy Rabenandrasana Lalao na i Nandrasana. Boky kabary vaovao, izay nomeny ny lohateny iraisana hoe : « Kabary zanatany », ahitana ny kabary am-panambadiana, ny kabary kristianina, kabary momba ny fahafatesana, kabary am-pamadihana ary ny kabary samihafa . Raha ny nambaran’ny mpanoratra, natao manify (30 pejy ka hatramin’ny 60 pejy) izy ireto mba ho azon’ny rehetra jifaina.
Maro ireo liana, saingy, mijanona hatreo! Liana amin’ny sary hosodoko, hono. Liana amin’ny fitendrena zavamaneno, hono. Liana amin’ny filalaovana sarimihetsika, hono. Liana amin-javatra maro ny Malagasy. Mbola olana hatramin’izao anefa ny tsy fahafahana mandingana io « liana » io. Eo ilay hafanam-po tsy arahina asa, fa ny tena goavana, ilay fahefa-mividy. Mijanona ho hetaheta ambony lakana ihany!
Anisan’ny mampiavaka ny hira nalaza tany amin’ny taona 1950 ka hatrany amin’ny taona 1965 ny fampiasana zavamaneno tsotra. Nanana ny lazany maneran-tany izay nahafehy izany… Amin’izao vanim-potoana izao, ireo mahay mifehy ny zavamaneno maoderina manaraka ny teknolijia no malaza amin’ny kanto ataony ! Maneran-tany io tranga io fa tsy eto Madagasikara ihany !

Partager sur: