Toliara I sy II: manameloka ireo mpanohitra tetikasam-pampandrosoana ireo olobe

Nanao fanambarana ny olobe any amin’ny distrika Toliara I sy II, omaly. Toherin’izy ireo ny mpanohitra ny tetikasa mitondra fampandrosoana ho an’i Toliara.

Nisy andian’olona vitsy nanao fihetsiketsehana, tsy mankasitraka ny hisian’ny fivoarana any Tolia­ra, fotoana vitsy lasa izay. Toherin’izy ireo ny tetikasa tokony hampandroso ny any an-toerana, na dia mbola ao anatin’ny fifampiraharahana aza. Misy mpanao politika ma­nararaotra izany, mandiso ny saim-bahoaka mahakasika ilay tetikasa.
Manoloana izany, manameloka tanteraka ny fanakorontanana ny hisian’ny fampandrosoana ireo olobe any amin’ny distrika Toliara I sy II. Tsy eken’izy ireo ny fanelezana vaovao tsy marina, sady mampihorohoro ny vahoaka malagasy manontolo, indrindra ny any Toliara. Ho azy ireo, efa manahirana ny zava-misy iainan’ny mponina. Satria, tsy misy ny asa, tsy manana ny hoaviny ny tanora, tsy misy ny orinasa miforona ho an’ny toekarena any an-toerana. Man­ja­ka ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-jiolahy, tsy mandroso ny fihariana andavanandro toy ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, sns.

Tsy ho «fasan’ny tetikasa» intsony
Manohana tanteraka ny tetikasam-pampandrosoana ireo olobe. Nomarihin’izy ireo fa maro ny tetikasa nokasaina na natao tany Toliara, saingy maty momoka daholo, mahatonga ny fitenenana hoe «fasan’ny tetikasa i Toliara». Raha raisina amin’io, manontany tena ny olobe sy ny besinimaro, «inona ny antony hanoherana tetikasa hita fa mitondra fandrosoana»?
Manameloka tanteraka ny fihetsik’ireo mpanohitra ireo ny oloben’i Toliara I sy II. Miantso ny fanjakana hanohana ny tetikasa matotra sy tompon’andraikitra, izay fantatra fa tena hitondra fampandrosoana an’i Toliara, satria efa tafahoatra ny fahantrana nandritra ny taona maro. Mila mi­tsinjo ny tombontsoan’ny besinimaro ny mpanao politika. Hampitsahatra ny fahataran’ ny fandrosoana ny fanombohana ny tetikasa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: