Nodarohan’ny vadiny ny renim-pianakavina iray tao Falimanjaka, kaominina Betafo Ambohimangakely, omaly. Novelesiny tamin’ny bolongam-by be hidin-trano niaraka tamin’ny vely kifafa io vadiny io. Tsy vitan’izay fa mbola nampidirany sakay koa ny fivaviany, araka ny fanazavan’ny zandary. Voatery naiditra hopitaly izy. Sima tanteraka ny molony.
Naratra teo amin’ny tanany ny renim-pianakaviana iray nendahin’ny jiolahy, omaly atoandro, teny Anosibe. Teny ambony taxi-moto izy no nendahin’ny mpanendaka saingy voatazony ny antsin’ireo jiolahy. vokany, naratra ny tanany. Voatery nentina hopitaly izy. Lasa nitsoaka ireo jiolahy rehefa tsy nahazo na inona na inona.
Nitohana nandritra ny ora maromaro ny fifamoivizana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly. Fiarabe iray nitsivalana teo amin’ny arabe, teo amin’ny PK 147+200, Ambatosonegaly, fokontany Anevoka, kaominina ambanivohitr’Ambatovola. Voalaza fa noho ny olana ara-teknika tao amin’ny fiara no nahatonga ilay fiarabe nitsivalana tampoka.