VAOVAO TAMBATRA

Hapetraka any amin’ny valanjavaboaharin’i Berenty, faritra Androy, ireo sokatra tratra tany Kaomoro sy Thailandy. Afaka hikarakarana tsara azy ireo ity toerana ity, izay tantanin’ny fikambanana iraisam-pirenena Turtle Survival Alliance (TSA).
Ho vatsian’ny banky koreana Eximbank vola, ny fanamboaran-dalana RN1bis, mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy i Maintirano. Eo koa ny famahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny any amin’ny faritra hafa. Manampy ireo ny fananganana trano ho an’ny daholobe miisa 15 000, sy trano manamorona ny arabe Rocade Iarivo, ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany, sns.
Hatao ny asa fikojakojana sy fanadiovana maika ny lakandrano any amin’ny lemak’i Bas Mangoky. Avy amin’ny ambiny ao amin’ny tetibola madio (RPI) an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ao amin’ny kaontim-bolan’ny Tetikasa fanitarana ny lemak’i Bas Mangoky (PEPBM) ny vola hanatanterahina ireo asa ireo.
Miisa 490 ny trano haorina, ka 83 any Fieferamanga (efa vita ny 10) ary 417 any Ambohimarina. Notsinjaraina ho 16 toko ny tsenambaro-panjakana ho an’ny orinasa hanatanteraka ny asa, ka efa voatsinjara ny any Fieferamanga rehetra ary trano miisa 90 ho an’ny any Ambohimarina.

Partager sur: