4×4 sy taksiborosy nifandona : efa-mianaka niara-maty

Olona efatra niara-namoy ny ainy teny Ambohimangakely. Vokatry ny fifandonan’ny fiara tsy mataho-dalana sy taksiborosy, ny alin’ny 31 aogosotra teo.

Fiara tsy mataho-dalana nifandona tamin’ny taksibrosy teo amin’ny PK 10+ 100, fokontany Behitsy, kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Nandeha mafy ny fiara 4×4 iray. Tsy nahafehy ny fitaovana nentiny ny mpamily kinanjo nifatratra tamin’ny taksiborosy iray. Avy any An­tsirabe nikasa hihazo an’i Toamasina io taksiborosy io. Potika tanteraka ny fiara roa nifandona. Nifamonjena ireo naratra. Nidina nanome tanana ireo niharan-doza ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII Ambohimangakely. Natao ny fizahana ireo voa mafy. Vokany, ankizivavy vao 5 taona sy zazalahy iray niara-maty. Ankoatra ireo, renim-pianakaviana iray sy vehivavy 27 taona avy any Fiana­ran­tsoa koa maty nandritra io loza io.

Tsy fitandremana
Nandritra ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandarimaria Ambohimangakely no naharenesana fofona zava-pisotro mahamamo tamin’ny mpamilin’ ilay 4×4. Nanara­raotra nandeha mafy tamin’ny lalana tsara koa izy ka antony nahatonga ny voina. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avo­koa ireo naratra mafy ta­min’ity fifandonana ity. No­tsiahivin’ny zandary manao ny famotorana fa tsy miaraka velively ny fisotroana sy ny familiana. Matetika tsy fitandremana ataon’ny mampiasa lalana no miteraka loza anatin’izao fiafaran’ny vanim-potoana fialantsasatra izao.

Tsiferana R.

Partager sur: