Olona efatra nilaza ho mahay mampitombo vola avo telo heny voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambohimasina, kaominina Ambatondrazaka, afakomaly. Tafiditra tao anatin’ny vela-pandrika nataon’ireo mpisoloky ny renim-pianakaviana iray. Nahazoan’izy ireo vola nitentina 3 tapitrisa Ar io ramatoa io. Tsy hita intsony anefa ireo mpanambaka andro vitsy taorian’io. Nametraka fitoriana ny lasibatra. Nanao fanadihadiana ny polisy. Fantatra avokoa ny atidoha sy tompon’antoka tamin’io tranga io. Nidinana ifotony, tratra tao an-tranony ny olona miisa efatra. Nahitana fitaovana fampiasa amin’ny fanamboarana vola hosoka izy ireo. Nahatrarana vola mitetina 500 000 Ar koa tao amin’ireo mpisoloky. Nentina natao famotorana avy hatrany izy ireo. Nogiazana avokoa ireo fitaovana. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana ireo olona efatra. Ankoatra ireo, mpamaky trano sady mpanao fanafihana iray koa voasambotra.
Tsiferana R.