Nidiran’ny bala teo amin’ ny tratrany havia ny mpanao Cash point iray teny Manjaka, kaominina Ankadikely-Ilafy, ny harivan’ny zoma 30 aogositra teo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo tsy valahara. Niandry kendry tohina ilay ramatoa mpanao Cash point ka nanery azy hanome ny vola rehetra azo nandritra ny tontolo andro. Tsy vitan’io, notifirin’ireo olon-dratsy tamin’ ny basy io vehivavy io.
Vokany, torana tsy nahatsiaro tena vokatry ny tifitra nahazo azy ilay ramatoa. Voaroba avokoa ny vola rehetra. Nentin’ny fianakaviany namonjy toeram-pitsaboana teo no ho eo ilay naratra. Voa mafy teo amin’ny ilan-tratrany havia tsy lavitra ny fony io lasibatra io. Nandalo fandidiana maika izy vokatr’izany, mba hahafahan’ny mpitsabo mamonjy ny ainy. Miroso amin’ny fanaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Karohina ny nahavanon-doza.
Tsiferana R.