Tontosa omaly, teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny Slam Sauvage, tao anatin’ny “Antanin’art enina”. Hetsika ara-javakanto, tanterahina isaky ny alahady eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Ny Slam indray no nandravaka ny sehatra teny an-toerana, tamin’ny andron’ny omaly. Misokatra ho an’ny rehetra izy ity, natao hampiroboroboana ny zavakanto, indrindra ny literatiora am-bava, mahaliana ny tanora ankehitriny. Anisan’izany ny Slam sy ny Stand up.
Ambohi-pihaonan’ny fianakaviamben’ny Slam malagasy indray ny teny amin’ny Zaridainan’Antaninarenina, omaly. Zary lasa fomba fanaon’ny mpankafy ity taranja ity ny manao “Slam sauvage”, izany hoe, slam tsy ara-dalàna, eny an-toerana, isaky ny faran’ny herinandro. Raha ny mahakasika ny seho, misokatra ho an’ny rehetra, ao anatin’ny fanajana ny fenitra sy ny fitsipiky ny Slam poèsie, ny mpandray anjara amin’ny hetsika.
Azo lazaina ho nahatratra ny tanjona ny mpikarakara, raha mpandray anjara no jerena. Saika olom-baovao amin’ny fiakarana an-tsehatra mantsy no nandray anjara. Na teo aza anefa izany, nanana ny lentany sy ny kalitaony ny seho. Taratra izany fa maro ireo mpanakanto manan-talenta, nefa tsy hita any ambadika any. Faniriana sy fangatahan’ny mpandray anjara kosa ny hisian’ny hetsika matetika.
Lin