Asa ihany no mahavelona

 

Tanjona voalohan’ny fitondram-panjakana amin’izao ny fampihenana ny fahantrana misy sy iainan’ny vahoaka, araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fanolorana ny governemanta. Eo koa ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka. Hanao ahoana? Ny vahoaka izany no vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehana, anisan’ny antom-pisian’ny fitondram-panjakana amin’izao fe-potoam-piasana izao. Sady hahena ny fahantrana no hampiakarina ny fari-piainana. Tsy vita mora izany, tsy vita vetivety.
Lazain’ny mpandinika sasany fa tsy misy afa-tsy ny asa no ahazoana mampihena ny fahantrana, mampiakatra ny fari-piainana. Rehefa misy sy mitombo ny vola miditra amin’ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano, mihamaivana ny fahantrana, miakatra ho azy ny fari-piainana. Mila hampitomboina araka izay tratra izany ny famokarana, ny famoronana asa, ny fampiasam-bola…
Ialana amin’izany ny hoe fihafiana sy fitsitsiana lava iatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana. Ny asa sy ny vola miditra no mila hampitomboina. Na eo aza ny hoe fihafiana sy fitsitsiana, tokony hitera-bokatra. Fa tsy ho fihafiana sy fitsitsiana mandavantaona efa fahoriana. Fampitomboana sy famoronana asa amin’izay atao ve no tokony hifantohana kokoa amin’izany? Eo amin’ny fampianarana sy fanofanana, ohatra, amin’ny fanorenana fotodrafitrasa, fampiasam-bola…
Mba fampitomboana sy famoronana asa ara-dalàna izany. Manara-penitra koa… Ialana ny kitsapatsapa sy ny fanaovana kitoatoa, ny tsara sy mahomby am-boalohany ihany, ny tsy fahazakana fifaninanana ka mifamingana an-dalana… Ahoana no hanatrarana sy hiainana ny hoe samy miasa, miara-mandroso, tsy misy hadino amin’ny fisitrahana vokatra…. Ny asa ihany no mahavelona, mampandroso, izakana fahaleovantena amin’ny toekarena.

R. Nd.

Partager sur: