Naratra ka tsy afaka ny hiatrika ny lalao hiarahana amin’ny Barea, amin’ny fifanintsanan’ny “Can 2025” i Hakim Abdallah sy i Ponti. Nantsoina hisolo azy ireo i Carolus sy i El Hadari. Ankoatra izay ho avy avokoa ireo mpilalao rehetra nantsoina.
Efa ao anaty fanomanana tanteraka ny Barea, amin’izao 4 andro mialoha ny lalao hikatrohana amin’i Tunisie sy i Comores izao. Tonga tsikelikely mamonjy ny fampivondronana sy ny fanomanana any Tunisie ireo mpilalao rehetra. Anton’izay, hoy ny mpanazatra, ny fisian’ireo mpilalao sasany mbola niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka tany amin’ny kliobany. Ho feno tanteraka ny Barea, manomboka rahampitso talata. Ankoatra izay, noho ny ratra nahazo an’i Hakim Abdalah sy i Rayan Ponti, nosoloina an’i El Hadary sy i Carolus izy ireo. Nanomboka omaly, indroa isan’andro, ny fanazarantena ao amin’ny Centre sportif Radès. Nifantoka tamin’ny fanatanjahantena ny ara-batana sy ny taktika amin’ny teknika ny fanomanana. “Hiankina betsaka amin’ny zava-misy sy ny toe-batan’ny mpilalao anefa ny hitondrana ny fanazarantena”, hoy ny mpanazatra. Rahampitso talata sy ny alarobia vao tena hametraka ny paikady rehetra ny mpanazatra.
Vonona ny mpilalao rehetra
Manoloana ireo lalao roa hatao ivelan’i Madagasikara ireo, nanambara i Tendry fa fahavoazana kely satria ilaina hatrany ny tosiky ny mpijery. Na eo aza izany, vonona avokoa ireo mpilalao hiatrika ny mpifanandrina.
Tsy nanafina ny tenany fa anisan’ny ekipa mafy aty Afrika i Tunisie saingy rehefa manome 200 % avy any aminy ny tsirairay azo atao ny mandresy azy ireo. Barea de Madagascar rahateo hanala vela. Ny amin’i Comores indray tsy mionona tamin’ilay fandresena efa azo tany aloha fa mila miady mafy indray vao mandresy ka tsy tokony hanao tsinontsinona, araka ny nambarany.
Ny amin’ny hafanana mavaivay indray. “Tombony ny fahatongavana mialoha taty nizarana izay toe-tany izay raha mitaha amin’i Comores, izay mbola hilalao any an-tany hafa vao ho eto Tunisie”, hoy hatrany i Tendry. Ny amin’ny fiarahan’ny mpilalao rehetra ao anaty Barea indray milamina sy miray saina avokoa izy rehetra ary maneho fiombonam-po hahazoana fandresena amin’izao andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2025” izao.
Tompondaka