Mila manaraka ny fenitra ilaina ny fiompiana trondro. Singanina amin’izany ny lafiny sakafony, raha te hanana vokatra tsara fitombo sady tsara kalitao. Tsy maintsy mamokatra na manana sakafo sahaza sy manaram-penitra ny mpiompy trondro. Mamokatra olitra avy amin’ny lalitra mainty, antsoina hoe «Black Soldier Flies» (BSF), ny orinasa Omniverdi, any Mangily, kaominina Belalanda, distrika Toliara II.
Lalitra mainty ompiana manokana, hakana olitra ny BSF. Manatody manodidina ny 500 ka hatramin’ny 700 ny lalitra vavy iray. Foy ny atody afaka 3 andro, ka lasa olitra (pulpe) afaka 15 andro eo ho eo. Mety tsara hatao sakafom-biby, sy ny trondro io olitra io. Mamokatra manodidina ny 500 kilao isan’andro ny Omniverdi. Afaka atao sakafo ho an’ny fiompiana manara-penitra hafa koa ity karazana olitra ity, toy ny akoho gasy manaram-penitra, ohatra. Nitsidika ny toerana ny minisitry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga (MPE B), Mahatante Paubert, niaraka tamin’ny manam-pahefana any Mangily, ny herinandro lasa teo.
Njaka A.