Famosirana : miankina amin’ny didy raikitra ny fampiharana

Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny fanatanterahana ny famosirana amina raharaha fanolanana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­mandimby Benjamin Alexis, tamin’ny mpanao gazety teny Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fihaonany tamin’ny vadintany sy mpanao lavanty. Misy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny lehiben’ny fampanoavana sy ny dokotera amin’izany: tsy maintsy misy olona mijery ny fanatanterahana azy, ary misy taratasy hoe vita tokoa. Didy raikitra vao atao ny famosirana. Izay no ifampitaizana eo amin’ny fiarahamonina.
“Inona no tianareo: minisitry ny Fitsarana tsy matahotra an’Andriamanitra sy mampirafy ary mpanao kolikoly ve sa minisitry ny Fitsarana milaza ampahibemaso hoe mpivavaka ary tsy manao kolikoly aho?”, hoy kosa izy ny amin’ny maha laika ny fanjakana. Tsy midika hoe miady ny fiangonana sy ny fanjakana ny hoe fanjakana laika. Any Alemaina, ohatra: ny fanjakana no manome vola ny fiangonana. Nefa manao ahoana ny demokrasia any Alemaina, fa tsy izany no demokrasia madio indrindra? Nahita ny fanajan’ny mpitondra fanjakana ny fiangonana izy. Iza ny fiangonana nisy teto Mada­gasikara ka nanelingelina fanjakana? Tsy misy. Tsy vao mainka aza mivavaka ho an’ny mpitondra fanjakana ny fiangonana. Aza ampiadiana ny fiangonana sy ny fanjakana fa tsy mahasoa ny firenena izany, araka ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: